O Sapientia” (16 Décembre)
Ry Tena Fahendrena ô, Izay nivoaka avy tamin’ny vavàn’ny Avo indrindra tsara ny zavatra rehetra: avia ka omeo anay ny fahazavan-tsaina
“O Adonia” (17 Décembre)
Ry Tompo sy Mpitari-dalana ny Zanak’Israely ô: Izay niseho tamin’ny Mosesy teo anaty lelafo teo amin’ny roimemy. Ary nanome azy ny Lalàna tany Sinay: avia, ka vonjeo amin’ny sandrinao mahery izahay
“O Radix Jesse” (18 décembre)
Ry Solofon’i Jese ô: Izay nitsanagana ho Fanevan’y firenena ka hitampenan’ny mpanjaka vava. Ary hotadiavin’ny jentilisa: avia ka vonjeo izahay, fa aza mitaredretra
“O Clavis David” (19 décembre)
Ry fanalahidin’i Davida sy Tehim-panjakaàn’Israely ô, Izay mamoha ka tsy hisy hanidy, ary manidy ka tsy hiosy hamoha, avia hamoaka ny mpifatotra hiala ao an-tranomaizina: ary izay mipetraka ao amin’ny maisina sy ny aloky ny fahafatesana
“O Oriens” (20 Décembre)
Ry Tena Mazava sy Famirapiratran’ny voninahitry ny Ray mandrakizay ô: Hianao no Masoandron’ny Fahamasinana, Avia ka hazavao izay mipetraka ao amin’ny maizina: sy ny aloky ny fahafatesana
“O Rex Gentium” (21Décembre)
RY Mpanjakan’ny mpanjaka ô, Ilay nirin’ny firenene rehetra: Hianao no Fehizoro mampiray ny olonao rehetra, Acia, ka vonjeo ny olombelona: izay noforoninao avy tamin’ny vovo-tany
“O Emmanuels” (22 Décembre)
Ry Imanoely, Mpanjaka sy Mpanome Lalaàn,a anay ô:Ilay irin’ny firenena sy famonjena azy. Avia ka vonjeo izahay: ry Tompo Andriamanitray
“O Virgo Virginum” (23 Décembre)
Ry Virijina sambatra ô, ny Mahery efa nanao zavatra lehibe taminao; fa fahiny dia tsy nisy tahaka anao, ary any aoriana dia tsy hisy tahaka anao intsony. Fa izay nataon’Andriamnitra: dia zava-miafina mahatalanjona
(*) Atao mialoha sy manaraka ny “Magnificat” ireto antifona ireto. Azo anaovana azy ny tiona fanao ao amin’ny Litany amin’ny hoe: “Tompo ô, mitsangana ka ampio izahay...”