HENOY ny feo mora re
Manaisotra ny aizina:
Miarena ry rendrehana
Miseho izao ny Tomponao
2.Ario ny halainana
Ka mitsangàna haingana
Jereo ny Kintana vaovao
Mpanaisotra ny helokao
3.Ny zanak’Ondry avy izao
Hanavotra olombelona
Samia miankohoka
Fa Izy mamela heloka
4.Rehefa tafarina Izy
Hitsara izao tontolo izao
Ny fitiavany anei
No tsy hamaizany anao
5.Ny dera laza, hery koa
Atolotray mpanomponao
Mba raisonao, ry Trinite
Ray, Zanaka, Fanahy ô
Amena