He! Ny akanjony
Voaloton-dra;
He! Mitomany ny
Havany
2.Mavesatra entana Izy,
Reraka koa;
Indro! Tsy zakany
Ny Lakroa
3.Fa misy anankiray
Manatona eo,
Dia Simona manampy Azy
4.Entiny aiza moa
Ilay Lakroa?
‘Lay vao nitondra azy
Iza io?
FIZARANA II
(Ny valiny)
5.Aoka izy harahina
Ao Kalvary
Fa Andriamnitra
Zanaka Izy
6.Raha misy mba tia Azy
Hianareo
He! Manatona Azy
Ka jereo
7.Moa tsy mangoraka
Ny Tomponao
‘Zay voahombo eo
Hianao?
8.Aoka hodinihinao
Fatratra anio Io fijaliana
Mafy io
FIZARANA III
(Ny Tantara)
9.RY voasandratra
Banjiniko
Ilay tarehinao
Masina
10.Tsilo no satrokao
Mpanjaka ô
Hazo maraorao
No sezanao
11.Fantsihan’olona
Ny Tananao,
Sy boroahany
Tongotrao
12.Ny Lanivoanao
Lefoniny;
Tsy misy miseho ho
Antra Anao
13.He fitiavana!
Ny Ranao soa
Alatsaka ho anay
Meloka
14.Tsy misy ondana
Hirehanao
Hazo ihany
Handrianao
15.Injao mandatsa Anao
Ny jiolahy:
“Vonjeo ny Tenanao
Sy izahay”
16.Difo-pahoriana
Mitsinjo eo
Maria Virijina
Reninao
17.Hainandro, mahamay
Mamiratra
Voasaron’aizina
Tampoka
18.Mafy ny antsonao;
Aondrikao
Am-pietrentena ny
Lohanao
19.Indro! ny soratra
Milaza Anao;
Mpanjaka Tokana
Hianao
20.Inona no hitanao
Ao amiko
No andeferanao
Toy izao!
FIZARANA IV
(Ny fiantsoan’i Jesoa )
21.Tonga Aho, ry zanako
Mba hanome
Ny fifaliana
Lehibe
22.Hitako hianao
Naniasia,
Ka notadiaviko
Be fitia
23.Ny Ra nalatsako
Ho avotrao,
Aiko natolotro
Ho Anao
24.Aza tomany Ahy,
Ry zanako,
Fa manahafa ny
Toetro
FIZARANA V
(Ny famaliantsika)
25.Eny, harahiko
Ny dianao,
Mandra-pahitako,
Tavanao
26.Tsy mba irery aho
Ry Tompo ô,
Raha Hianao no ho
Namako
27.Na dia tsy zaka azo
Ny entako
Hianao hiaraka
Amiko
28.Ka raha tapitra
Ny androko
Raiso ny zanakao,
Tompo ô!
Amena