Ray be valianay ratsy


Retour

RAY be valianay ratsy,
Kristy nihantona tamin-dakroa
Ny Parakleto mampiaiky ny diso;
Ny Tompo tsara, henoy


2.Jesoa malala Mpamonjy ny very
Fanantenanan’ny mpanota mania
Ry Mpanasoa sy be famindrampo:
Ry Tompo tsara, henoy


FIZARANA I


3.Jesoa nanoa ray aman-dreny
‘Zay nofidinao hitaiza Anao
Jesoa nalain’ny devoly fanahy:
Ry Tompo tsara, henoy


4.Ry nanambara ny Ray be fitia
Avy mitsena ny zanaka adala
Faly tokoa fa hita ilay very
Ry Tompo tsara, henoy


5.Ry nampibebaka ilay vehivavy,
Ka mampiseho ny ota natao,
Mba hiovan’ny mpanota fanahy;
Ry Tompo tsara, henoy


6.Ry nampifaly ny fon’i Zakaiosy
Sady nanaiky ny teniny hoe:
“Raha diso aho dia manao famonjena”:
Ry Tompo tsara, henoy

 

FIZARANA II


7.Jesoa nitandrina ilay paska farany,
Tandindona Zanak’ondry tokoa,
Hanitra ankasitrahan’ny Rainao;
Ry Tompo tsara, henoy


8.Ry malahelo sy oryu indrindra,
Nefa nanaiky ny tian’ny Ray
Ry niakohoka tamin’ny tany:
Ry Tompo tsara, henoy


9.Ry voakapoka sy nororana
Nihomehezan’i Heroda mpanjaka
Ry notsarain’i Anasy sy kaiafa;
Ry Tompo tsara, henoy


10.Jesoa nitodika dia nijery
An’i Petera nasian’i Satana,
Dia nivoaka izy ka nitomany:
Ry Tompo tsara, henoy


11.Ry voasandratra ampahibemaso
Mba hahatonin’ny maty rehetra
Ry voalefona noho ny ota
Ry Tompo tsara, henoy
(tokony hatao manaraka ny isam-pizarana ireto andininy roa ireto)


12.Aoka hamoronanao fo torotoro
Ny olonao, mba hiaiky tokoa
Aoka hotarihinao mba ho hihatsara
Ry Tompo tsara, henoy


13.Aoka hotovin’ny asa ataony
‘Zao fibebahana ekenao izao
Ka ho tanreraka hatramin’ny farany
Ry Tompo tsara, henoy

 

Amena

Numéro de page - 257