ANDRIAMANITRA Tompo ô
Ray, Fanahy, Zanaka
Henoy ao an-dapanao
Trinite Isaorana ô
2.Jesoa Tompo, mba tahio
Ny Eklesia Tenanao,
Ka arovy izy izao
Mihainoa, Jesoa ô
3.Aoka re ny sandrinao,
Sandrim-pitiavana,
No ho fanampiana azy
Mihainoa, Jesoa ô
4.He! ny fahavalony
Hisafoaka aminy;
Asehoy ny herinao;
Mihainoa, Jesoa ô
5.Aoka mba harovany
Ny finoana marina
Efa voatolotrao azy
Mihainoa, Jesoa ô
6.Aoka ho re ny feony
Fananarana olona
Ho madio sy masina
Mihainoa, Jesoa ô
7.Aza atao tsininy
‘Zay mba ho firaisany
Akambano izy indray
Mihainoa, Jesoa ô
8.Aoka ho tadiaviny
Ny mania, ka entiny
Hody any aminao
Mihainoa, Jesoa ô
9.Aoka hampiononiny
‘Zay tra-pahoriana
Sy ny torotoro fo
Mihainoa, Jesoa ô
10.Aza avela hihemotra
Na ho mangatsiaka
Fitiavany Anao
Mihainoa, Jesoa ô
11.Aoka ny Ministerany
Ho mpiandry marina
Ondrinao andrasanay
Mihainoa, Jesoa ô
12.Aza atao ho helony
Raharaha tsy vitany,
Tany tsy nalehany
Mihainoa, Jesoa ô
13.Aoka ho malahelo izy
Noho ny lasa, ka tahio
Amin’ny ho avy re!
Mihainoa, Jesoa ô
14.Aoka ho ren’ny jentilisa
Feom-pamonjeny é!
Ka ho voazava ireo
Mihainoa, Jesoa ô!
15.Aoka mba hirehitra
Jirom-pahamarinany
Eran’izao tontolo izao
Mihainoa, Jesoa ô!
16.Aoka hiady tsara re
Ny miaramilanao,
Ka tsy resin-tahiotra
Mihainoe, Jesoa ô
18.Amboary izy izao
Mba ho miendrika handray
Ny haren’ny lanitra
Mihainoa, Jesoa ô
Amena