Ny andro vao maraina koa,
No hihiram-pisaorana
Ny Tompo tia sy Mpanasoa,
Nanolo-pitahiana;
Nohodidinin-doza tao
Anaty aizina izahay
Tsy nisy izay nanjo izao
Fa soa aman-tsara indray
2.Ny mitataovovonana
‘Zay ora fitsaharana,
Dia mahabe fisaorana
Ny Mpanome fiadanana;
Hakarinay an-danitra
Ny feo fihobiana,
Fa sitrak’Andriamanitra
Ny deram-pifaliana
3.Ny andronay hariva koa,
‘Zay làlana sasatra,
Dia mampifaly fo tokoa
Sy mampihoby fatratra,
Hisaotra ny Mpamorona,
Nandahatra ny zavatra
‘Zay hanasoa ny olona
Mahantra mba ho sambatra
4.’Lay Fanomezan-Tokana
Indrindra no hisaorana;
Ny very dia navotana,
Ny maty novelomina;
Ka mihobia ny Avotrao
Ry olona rehetra izao,
Akaro re ny feonao
Hidera ny Mpanavotrao,
Amena