RY Zanahary Tompo ô
Anao ny dera lehibe;
He! Izahay re tia Anao,
Ray Mpanome.
2 Ny hazo sy ny voniny,
Hainandro, rivotra, orana,
Dia manambara Anao tokoa
Ho Mpanome.
3 Ny zava-tsoa anananay,
Ny ainay sy ny tenanay.
Dia entinay hisaotra Anao
Ray Mpanome.
4 Ny Zanakao malalanao
Nafoinao mba hanavotra
Ny olom-bery meloka
Ray Mpanome.
5 Ny Parakleto Masina,
Ny fanomezam-pitony,
Nalatsako mba ho anay,
Ray Mpanome.
6 Fa inona no havalinay
Ny indrafo, ny soa be.
‘Lay fanavotan-Janakao,
Ray Mpanome?
7 Izay atolotra Anao
Hitombo zato heny re!
Koa faly izahay izao
Mba hanome.
8 Fa Hianao, Ray Mpanome,
No anton’ny anananay;
Ka raiso re, fa Hianao
No nanome.
Amena