IZAO toetrako izao,
No anatonako Anao,
Tsy mba miala tsiny re,
Ry Zanak’Ondry Masina ô!
2 Izao toetrako izao
No anatonako Anao,
Satria ny Ra nalatsakao
No tokiko sy avotro
3 Izao toetrako izao
Mitebiteby, ory koa
Matahotra sy kivy fo,
No anatonako Anao.
4 Izao izaho ratsy izao
Mahantra sy tsy miendrika
Mpanota mitanondrika,
No anatonako Anao.
5 Izao toetrako izao,
Horaisinao, hodiovinao.
Fa azo itokiana
Ny teninao fa marina.
6 Izao izaho zao anie
Mba ho mpanomponao tokoa,
Ry Zanak’Ondry mora fo
Ho valin’ny fitianao.
7 Izaho ‘zao manandrana,
Kanefa hahita marina
Ny fitiavanao ary,
Ry Zanak’Ondry be fitia.
Amen