Isaorana hianao


Retour

ISAORANA Hianao,
Ry Rainay Zanahary,
Ny Fanomezanao
Ataonao lavorary:
Hatrany am-bohoka
Ka mandrak’antitra
Mandray ny soanao
Ny olombelona


2.Tsy mety tapitra
Ny soa izay omenao
Fa zanakao ‘zahay
Mpandova ny harenao;
Ka fiadanam-po
Sy fifaliam-po
No lovanay madio
Ary an-danitra


3.Ry Ray sy Zanaka ô,
Hianao Fanahy soa,
Derain’ny Santanao
Ho Tompo iray tokoa
Ny saotra aterinay
Mba raisonao izao,
Ry Andriamanitray
Be fahasoavana ô!

 

Amena

 
Numéro de page - 225