Andriamanitra lehibe


Retour

ANDRIAMANITRA lehibe
Miasa tsy tapaka
Hahatanteraka ny fika
Sana nataony ela be
To teny andriamani-
Tsika ‘zay lazainy tsy maintsy
Hatao
Ka ho feno ny lazan’
Ny Tompo tsitoha izao
Rehetra izao


2.Ao antsinanana lavitra,
sy ery andrefana koa,
lasa ny irak’Andriamnitsika
mitondra ny teny soa
mihainoa ry firenena
ry nosy lavitra ô


3.Fa ho feno ny lazan’ny
Tompo tsitoha izao
Rehetra izao
Inona no ho anjarakao
Hampandroso koa ‘lay
Fanjakampiadanana naorin’ny
Tompoko?

 

4.Inona no ahafaingana izay tsy maintsy
Ataoa mba ho feno ny lazan’ny Tompo
Tsitoha izao rehetra izao?
Raiso ny herin’ny Tsitoha mba
Ho enti-manafika
Manohera ny fahotana alefaho
Ny mpifatotra
Atsangano ny Lakroa fanevan’ny Tomponao
Dia ho feno ny lazan’ny
Tompo Tsitoha izao rehetra izao


5.mahereza mivavaka fa sasa-poana
‘Zay tsy omban’ny mpanamoy soa,
Ka izao no hataka:
“Jesoa ô, ampio zahay tahio ny Mpiasanao”
Mba ho feno ny lazan’ny Tompo
Tsitoha izao rehetra izao

 

Amena

Numéro de page - 222