Raha andrandraiko ny lakroa


Retour

RAHA andrandraiko ny Lakroa
Mpanjakam-boninahitra ô,
Mifikitra aminao ny fo,
mandà izao rehetra izao


2.Tsy misy ataoko rehareha
Raha tsy ny nijalianao
Ny zava-poana izay taloha
Dia laviko voavotrao


3.Ny tànana aman-tongotrao;
Ny lohanao dia latsa-dra;
Na dia ny fahorianao
Maneho fitiavana


4.Fa raha ny fo sy aiko koa
Atolotro ho fanatitra e!
Dia zinona izany moa?
Fa ny fitianao no be


5.Aoka hoderain’ny olona
Sy ny anjely ambony koa
Hianao Mpamonjy be fitia
Izay tra-doza hahasoa

 

Amena

 
Numéro de page - 217