NY Hazo fijalianao
Ry Jesoa Tomponay
Maneho ny fitianao
Dia iankinanay
2.Mitazana ny masonay,
Mangoraka ny fo
Na meloka aza izahay,
Ny teninao ho eo
3.Ny avotr’aina vitanao
No itokianay;
Ny entanay voaisotrao
Dia afaka izahay
4.Ny hazo nihomboanao
Dia voninahitray;
Ny nanalam-baraka Anao
No isandratanay
Amena