MPAMONJY ô, fafazo rano
Ny firenena maro be
Efao ny teny fikasanao,
Tariho izy ho Anao
2.Aoka holazaina ny tantaran’
NY nijalianao taty
Ampandreneso azy tsara
Ny voninahitra ary
3.Ny fon’ny olo-maizin-tsaina
Misento aminao tokoa
Tsy fantany ny ranon’aina
Tsy mbola re ny teny soa
4.Mpamonjy ô, miandry ela
Ny nosin-dranomasina
Mba havaozin’ny Fanahy
Ho hendry sy ho tia Anao
5.Maniry rano ny tanety
Mangetaheta izy koa
Anao, ry Zanahary Tompo
Anao, ry Zanak’olona
6.Iraho ny mpitoriteny,
Tendreo re ny lelany,
Mba hideran’ny fo rehetra
Ny zank’ondry masina
Amena