Miantra ny firenena


Retour

MIANTRA ny firenena
Ry Jesoa Tomponay
Ambarao ny famonjena
‘Zay nataonao fahizay,
Asehohinao ny hery
Namonjena marobe,
Ry Mpamonjy olom-bery
Mamonje indray anie!


2.Mba heveronao ny Nosy
Itoeranay izao;
Iantraonao ry Jesoa,
Ny tsy mahalala Anao;
Iantrao ny indran-tany,
Iantrao sy mamonje,
Mba ho tonga faingana any
Ny mazava lehibe


3.Ary izahay mpiasa
Ao an-tanimbolinao
Mba omeo fo mikasa
Hankato ny teninao;
Be ny tany tsy nasaina
Vitsy ny mpanomponao,
Ka aoka mba hikely aina
Izahay hiasa ao


4.Makanesa ry mpitory,
ao an-tany lavitra ao;
Be tsy mahalala akory
An’i Jesoa Tomponao:
He! Ny fahantrany indrisy!
E! Nyadalan’ny ao;
Fa ny olona tsy misy
Hampianatra azy izao


5.Ny harena anomezo
Sy ny fahendrena koa;
Eny, Kristy, aelezo
‘Zay rehetra mahasoa;
Mankanesa re’zay tia,
Ny Mpamonjy lehibe ,
Miantrà ka manampia
Ny mahantra marobe


Amena

 
Numéro de page - 212