ANDRIAMANITRA Mpanjakan’ny voninahitra ô,Ianao efa nampiakatra an’i Jesoa Kristy Zanakao-lahy Tokana tamin’ny fifaliana lehibe, toy ny fifalian’ny avy anandresy, ho any amin’ny fanjakanao any an-danitra: Mifona aminao izahay, aza mahafoy anay ho kamboty, fa iraho ho aty aminao ny Fanahinao Masina hampionona anay sy hampiakatra anay ho anay amin’ny fitoerana izay nandehanan’i Kristy Mpamonjy nialoha anay; izay miara-belona sy miara-manjaka aminao sy ny Fanahy Masina Andriamanitra Iray, mandrakizay mandrakizay Amena.