Ry fanahiko, henoy


Retour

Ry fanahiko, henoy
Feon’i Jesoa Tomponao
Izy manontany hoe:
“Moa tianao va Aho?”


2.Fa nania hianao
Nefa nokatsahiko
Voagadra, ory, lao
Nefa notrotroiko


3.Misy vehivavy va
Mahafoy ny zanany?
Eny, misy, fa Izaho
Tsy mba hahafoy anao


4.Fa ny fitiavako,
Avo noho ny lanitra,
Tsy miova lalina
Noho ny ranomasina


5.Koa ny voninahitro
Dia hasehoko anao;
Ry mahantra, mba valio
“Moa tianao va Aho”


6.Fantatrao, ry Tompo ô
Fa malemy aho izao;
Mba ampio ny zanakao
Hitiavany anao

 

Amena

 
Numéro de page - 206