He! maintso ‘lay havoana


Retour

HE! Maintso ‘lay havoana

Ivelam-bohitra

Dia lehy nanombohana

Ny Tompon-danitra

 

2.Tsy azontsika tantaraina

Ny nijaliany tao,

Kanefa mba ho avotra aina

No nihantonany

 

3.Hanavotra sy hanasoa

No nahafatesany;

Ka indro voavoha koa

Ny hidin-danitra koa

 

4.Isika tsy mba misy soa

Hidirantsika ao;

Fa Izy irery no nandoa

Ny vidin-keloka

 

5.Koa enga ka ho tiantsika

Harahintsika dia

Ilay Mpamonjy lehibe,

Sy Tompo be fitia

 

Amena

 

Numéro de page - 200