Jesoa no anarana


Retour

JESOA no anarana

Feno fitiavana,

Manambara soa be

Sy deran’ny marobe

 

2.Jesoa no anarana,

Famonjena tokana

Nolazain’i Gabriely,

Avotry ny Israely

 

3.Jesoa no anarana

Azo itokiana

Fa izao no heviny

“Avotry ny olona”

 

4.Jesoa no anarana

An’ny Zaza masina,

Ahazoana indra-fo

Analana ny manjo

 

5.Jesoa no anarana

‘zay nomena olona

Ahazoana avotra

Ary fiarovana

 

6.Jesoa no anarana

Entin’Andriamanitra

Mba hanao fifonana,

Ho antsika olona

 

Amena

 
Numéro de page - 199