TSY hitanay ny Tavanao,
Ry zanak’Andriamanitra;
Tsy nifanena taminao
Tao Nazareta izahay;
Nefa inoanay fa tao
No nodiavin-tongotrao
2.Tsy hitanay nasandratry
Ny olon-dratsy Hianao,
Tsy renay ny fiteninao
Impito tany Kalvary;
Nefa inoanay tokoa
Fa maty tany Hianao
3.Tsy tonga tao am-pasana
Zay nandrianao izahay,
Tsy isan’ny nahita Anao
Taorian’ny Nitsangananao;
nefa inoanay tokoa
fa resinao ny fasana
4.Tsy nentinao niaraka
Tao Betania izahay
Tsy hitanay ny rahona
Nitondra Anao niakatra;
Nefa inoanay fa ao
An-dapan-dRainao Hianao
5.manjaka an-danitra izao
Hianao kanefa takona
Miandry koza izahay
Mitoetra aty an-efitra:
Nefa inoanay tokoa
Ny teny fikasanao soa
Amena