Mpanjakam-pirenena ô


Retour

MPANJAKAM-pirenena ô,

Henoy ny vavakay

‘Zay mitaraina aminao

Ka iantrao ‘zahay:

Anay ny fahotana be,

Anao ny indrafo,

Ka mihainoa, ry Mpanome

Ny hatakay anio

 

2.Ny otanay dia betsaka,

Ka ibebahanay,

Fa lehibe ny antranao

Naseho hatrizay;

Raha loza toy ny alona

Manjo ny nosinay,

Hianao no itaraianana

Ho famonjena anay

 

3.Miondrika izahay izao

Ambany tànanao

Misento sy mangataka

Ny famindramponao;

Mba tanteraho aminay

Izay mifona izao

Ny vavakay asandratray

Ho ren’ny sofinao

 

Amena

Numéro de page - 195