Tsy ny hahazo zavatra


Retour

TSY ny hahazo zavatra

Ary an-danitra

No itiavako Anao, Ry Andriamanitro

 

2.Tsy noho ny hatahorako

Ny fijaliana,

Fa noho ny fitiavanao

No itiavako

 

3.Voahombo sy voalefona,

Voalatsa Hianao,

Nahinjitra ny tànanao

Tambonin’ny Lakroa

 

4.Izaho no niaretanao

Ny fijaliana,

Ny Ranao nanavotana ahy

Izay fahavalonao

 

5.Koa moa tsy fitiavana

Havaliko izany?

Ny foko no atolotro

Anao, ry Tompo ô

 

6.Ry Jesoa Kristy sambatra ô,

Ny dera raisonao,

Fa Hianao Mpanjakako

Sy Andriamanitro

 

Amena

 
Numéro de page - 193