“Ry ory manatona
Ny fitsaharana”
He! Feo mahafaly
Ny torotoro fo!
Milaza famelana
Io feo tsara io
Milaza fiadanana
Sy fitiavana
2.”Ry very, manatona
‘Lay tena hazavana”
He! Feo be fitia
Mandroaka aizina!
Ny fonay malahelo
Nania izahay
Fa fifaliana kosa
No ho anajaranay
3.”Ry ana, manatona
Hiainanao indray”
he! Feonao, ry Jesoa
Mampionona anay!
Maimay ny fahavalo
Milofo fatratra;
tsy tohany anefa
Ny hery momba Anao
4.Izay manatona Ahy
Dia tsy holaviko”
He! Feo mahatoky
Ankasitrahanay!
Na dia mpanota aza
Antsoinao izahay,
Ry Jesoa Kristy Tompo
Hanatona Anao
Amena