Omen’izao rehetra izao,
Fa Hianao no nanome
Ny hanina ifalianay
2.Ry Jesoa dera ho Anao
Ry tena Lahitokana,
Fa tsy nolavinao ho tao
An-kibondreninao madio
3.Ny ainao nanomezanao
Hiainanay ‘zay olonao
Ka Hianao, ry Tompo ô
No ifalianay izao
4.Fanahy Masina, Hianao
Ateranay ny fisaorana,
Fa ateraky ny herinao
Ny olon’Andriamanitra
5.Ankalazaina Hianao
Ry Ttrinite Isaorana ô,
Fa hitanay ‘zay làlana
Hodianay an-danitra
Amena