Ry tompo zanaharinay


Retour

RY Tompo Zanaharinay

Misaotra Anao’zahay izao

Noho ny fitahianao

Izay tsarovanay anio

 

2.Jereo ny zanakao aty

Fa sasatra sy reraka

Maniry ilay fonenana

Izay maharitra ary

 

3.Fa ao tsy misy loza koa

Na fahoriana manjo

Fa feo fifaliana

No hita lalandava ao

 

4.Izay tsy misy alina

Na zava-mahatahotra

Fa mandry fahizay tokoa

Ny mponina ‘zay tonga ao

 

5.Maniry fatratra izahay

Mba hody ao an-danitra

Hiala sasatra indray,

Sy honina any amin-dRay

 

Amena

 
Numéro de page - 184