HIANAO no fantatray,
Ry Jesoa Tomponay;
Ny asanao no fantatray
Nataonay ho anay
2.Ankasitrahanao
Ny fivavahanay
Fa be ny fitiavanao
Ny olombelona
3.Mibebaka izahay
Izay mpanomponao;
Ka dia manomeza anay
Ny fiadananao
4.Malemy izahay
Miankina Aminao
Mba hatanjaho izahay
Raha azon’ny manjo
5.Ry Jesoa fantatray
Ny fanavotanao,
ka raiso re ny deranay
Fisaoranay Anao
Amena