JESOA Tompo! Vatolampy
Vato voafantina,
Mba ho fanorena-mafy
‘Zay tsy mety levona;
Vato mafy
Dia itokianay
2.Jesoa Tompo, Vatolampy,
Voazaha toetra;
Vato tsy mba misy tsiny,
Vato tsara endrika;
Vato soa
Dia ifalianay
3.Jesoa Tompo! Vatolampy
Vato fehizoronay
Efa nampiray fanahay
Ny fitianao anay;
Fehizoro
Vato fampiraisana
4.Jesoa Tompo Vatolampy
Tsy miova Hianao;
Mananjara ny matoky
Ny tsi-fivadihanao
Fa ho faly
Ka tsy hanan-kenatra
Amena