Mpiandry ô, momba anay


Retour

MPIANDRY ô, momba anay

Alaim-panahy izao,

Omeo hery izahay

Hivavaka aminao

 

2.Raha mbola tsy voafolaka

Ny faniriam-po

Hataonay re tsy tapaka

Io fivavahana io

 

3.Toa any Jakoba izahay

Hitolona aminao

Ambaram-pahafantatray

Izay Anaranao

 

4.Ambaram-pahare angeha

Ny fitahianao;

Dia tsy avelanay handeha

Mihitsy Hianao

 

5.Fa mainka mandra-panome

Ny fitiavanao

Dia tsy avelanay anie,

Ry Tompo, Hianao

 

6.Ka raha revom-piderana

An-danitra ao’zahay

Finoana hanjary fahitana

Anao rahatrizay

 

Amena

 
Numéro de page - 179