NAHOANA moa ny olona
Mivezivezy, dodona,
Manao andiany betsaka?
Moa izy te-hivavaka?
Izao no antso mafy re:
“Jesoa Mpamonjy mandaLo re”
2.Mba iza moa io Jesoa Io
No mahamaika akehitrio?
Ka iza no nandalo tao?
Nanaitra ny vahoaka ao
Ka mampihoby mafy hoe:
“Jesoa Mpamonjy mandalo re”
3.Ny Tompo, Zanaky ny Ray
Izay mandalo ao izay,
Hanafaka ny ory fo
Sy ny asian’ny manjo;
Ny Jamba faly mahare
“Jesoa Mpamonjy mandalo re”
4.Ry reraka sy sasatra,
Avia mba ho sambatra;
Izay nandositra ny Ray
Mba miverena re handray
Ny zava-tsoa lehibe:
“Jesoa Mpamonjy mandalo re”
5.Fa aza dia lavina
Ny tenim-pitiavana
Sao hialany hianao;
ka dia ny fitarainanao
ho tsara ela loatra;
“Jesoa no efa nandalo re”
Amena