Ny koleta fahatelo fangatahana fahasoavana


Retour

TOMPO ô, Rainay any an-danitra, Andriamanitra Tsitoha sy mandrakizay, Hianao efa nitondra anay soa aman-tsara ho tratr’izao maraina izao.

Arovy amin’ny herinao izahay anio; ary aza avela ho lavo amin’ny fahotana na hiharan-doza akory; fa aoka hotarihinao amin’izay rehetra ataonay izahay, hanaovanay mandrakariva izay mety eo imasonao: amin’ny alalan’I Jesoa Kristy Tomponay. Izay miara-belona sy miara-manjaka aminao sy ny Fanahy Masina Andriamanitra Iray ihany mandrakizay. Amena.

Numéro de page - 24

Dia azo ataony manaraka

Ministera

Homba anareo anie ny Tompo

Valiny

Ary homba ny fanahinao

Ministera

Aoka isika hisaotra an’Andriamanitra

Valiny

Isaorana anie ny Tompo

Ministera

HIALA SASATRA amim-pidanana anie ny fanahin’ny marina nohony famondrampon’Andriamanitra Amena.

 

Dia azo atao amin’izao ny hira

Raha misy Fanolorana ny Komoniona Masina, dia azo atao manaraka ny Benendictus izao ho famaranana ny Fivavahana maraina

Ministera

Homba anareo anie ny Tompo

Valiny

Ary homba any fanahinao

Ministera

Aoka isika hivavaka

Dia atao ny Koleta anankiray voatendry araka ny andro

Ministera

Homba anareo anie ny Tompo

Valiny

Ary homba ny fanahinao

Ministera

Aoka isika hisaotra an’Andriamanitra

Valiny

Isaorana anie ny Tompo

Ministera

HIALA-SASATRA amim-piadanana anie ny fanahin’ny marina noho ny famindrampon’Andriamanitra Amena

Numéro de page - 25