Misy olona hiantrana


Retour

MISY olona hiantrana

‘Zao mandalo eto ‘zao;

Misy olo-mitaraina

‘Zao mandalo eto ‘zao;

Aoka ho entinao tokoa

‘Zay ananao hanoa

Sy hanao ny asa soa,

‘Zao mandalo eto’zao

Mandrosoa

Mba hanao ny asa soa,

‘Zao mandalo eto ‘zao

 

2.Aza osa na malaina

‘Zao mandalo eto ‘zao;

Mazotoa mamonjy aina

‘Zao mandalo eto ‘zao;

Misy sento betsaka,

Ranomaso latsaka,

Ka andeha iantrao

‘Zao mandalo eto’zao

Mandrosoa, ets

 

3.Didy tsara mahasoa

‘Zao mandalo eto ‘zao

Dia  hilaozana avokoa

‘Zao mandalo eto’zao

Fa ny voa afafinao,

Dia  hitombo kosa ao,

Ka ny fonao hafanao,

‘Zao mandalo eto’zao

Mandrosoa, ets

 

Amena

Numéro de page - 176