Ry andriamnitry ny famonjena


Retour

RY Andriamanitry ny famonjena

Sy kintana antenain’ny firenena,

Henoy ny fangataham-pandresena,

Ry Ray Tsitoha

 

2.Ilay fitopatopan’alon-drano

Sy reharehan-drafinay foano,

Ny olonao mahantra mba tantano,

Ry Ray Mpiaro

 

3.Raha osa, Hianao mahay mitana,

Raha reraka asiam-pahotana

Ny herinao tsy resin’i Satana

Ry Ray Mahery

 

4.Ampionao izahay handresy rafy,

Ampionao mba haharitra ny mafy

Ampionao tsy ho ketraka mihafy

Ry Ray Mpanampy

 

Amena

 
Numéro de page - 174