Haleloia! laza, hery


Retour

HALELOIA! Laza, hery

An’i Jesoa, ka hirao;

Haleloia! Izy irey,

‘Lay Mpandresy no derao,

he miredona ny hira

Velona ao Ziona hoe:

“Nanavotan-dRan’i Jesoa

Firenena marobe”

 

2.Haleloia! Tsy nafoiny

Ho kamboty isika izao

Haleloia ato Izy

Ka ny mino tsy ho lao

Na dia takona aza Izy

Fa voarain’ny lanitra

To ny teny fikasany,

Momba antsika Izy izao

 

3.Haleloia! Mofon’aina

Vatsiny aty Hianao;

Haleloia! Isan’andro

Aron’ny mpanomponao

Famonjena anay mpanota

Mba ifony izahay

Hiarahanay manjaka

Sy mifaly amin-dRay

 

4.Haleloia! laza, hery

An’i Jesoa ka hirao

Haleloia! Izy irery,

‘Lay Mpandresy no derao

He! Miredona ny hira

Velona ao Ziona hoe

“Nanavotan-dRan’i Jesoa

Firenena marobe”

 

Amena

 
Numéro de page - 172