RY Andriamani-dehibe,
Mpanao izao rehetra izao,
Ny firenena marobe
Ambany fanapahanao
2.Ny ditran’olombelona
Mikiry tsy hanoa Anao
Ovay ho fanarahana
Izay rehetra sitrakao,
3.Ny avonavon’olona
Manohitra ny tianao,
Ampitsaharo faingana
Mba hampiray ny lovanao
4.Ny fifandirana aminay
Mampidi-pisarahana,
Tapaho re, ry Tomponay,
Hampisy ny firaisana
5.’Zao mponina rehetra izao
Tolory saina marina
Hanaraka ny hatakao,
Mba ho Eklesia masina
6.Ny Trinite Isaorana
Mba ampidino aminay
Firaisam-pihavanana,
Mba hifankatiavanay
Amena