RY zanak’olombelona,
Hobio Jehovah Tomponao;
Tompoy an-kafaliana
Avia mihirà izao
2.Fantaro fa ny Tomponao
No Andriamanitra tokoa,
Fa Izy no nanao anao
Sy manome ny zava-tsoa
3.Midira ao an-dapany,
Manandratra ny feonao
Hidera ny Anarany
Fa izay no tokony hatao
4.Fa tsara Andriamanitra,
Ny indrafony aminao
Tsy miova, fa maharitra
Hatramin’ny taranakao
5.He! dera, laza, ho Anao
Ry Ray, Fanahy, Zanaka
Asandratry ny olonao,
Sy ny anjely marobe
Amena