NY Tompo no Mpanjakanay
Mpiandry be fitia
Ka afa-tahotra izahay
‘Zay ondriny mania
2.Ny hevitray averiny,
Na lasa lavitra aza:
Ny tenanay no entiny,
Trotroiny toy ny zaza
3.Ho vatsy ao an-dalambe
Ny nofony nomeny,
Nalatsany ny Rany e,
Dia Rany famonjeny
4.Malaina ny fanahinay,
Malaina sady osa;
Raha izy no harahinay,
Dia tonga tsara kosa
5.Ny lalambe izoranay
Nalehan’ny Mpamonjy,
Mitari-dàlana anay
Ny Tompo mahavonjy
6.Ka Izy itokianay
Fa Izy no nijaly
Nijaly hiadananay
Ny Tompo mahafaly
Amena