FITOERAN’ny mazava
Ziona ao an-danitra
Tranon’ny Mpanjaka avo
Feno fifaliana;
maha-ta-handre ny hira
fideran’ny Santa Anao
2.Ao no re ny Haleloia
Hiran’ny voavotra;
Ka miredona ny feo,
Feo tsy mitsahatra;
He! Madio izay rehetra
Efa mby any koa,
3.Tsy mba misy rahona any
Na izay manaloka
Fa mazava ny Tànana
Tsy mba misy alina
Any tsy mba re akory
Sento na fisaonana
4.Mifalia ry tra-bonjy,
afa-doza hianao;
Eny, hatsaran-tarehy
No mba ho fitafinao;
Ka ny fifaliana any
No hahafa-po anao
5.Eny, mahereza aloha
Ka zakao ny entanao,
Dia amin’ny ho avy
Aina ho anjaranao,
Ary lamba fotsy tsara
No homen-ko lambanao
6.Voninahitra sy dera
Ho anao, ry Ray Masina,
Voninahitra sy dera
Ho Anao, ry Zanaka
Ary ho Anao Fanahy
Trinite Isaorana
Amena