Ry miaramila, mandrosoa izao


Retour

RY miaramila, mandrosoa izao,
Kristy Kapiteny mialoha anao
Kristy no Mpanjaka sy Mpitarika
Indro koa ny saina toro-làlana
Ry miaramila mandroa re!
Indro ny Lakroa ‘zay toky lehibe!


2.Mandrosoa, ry mino, handresenareo
Fahavalo maro, ‘zay mitranga eo;
Raha re ny hira dia mivadi-po
Helo sy Satana ka hobio, hobio!
Ry miaramila ets


3.Vonona hiady ny Eklesia,
Sahy sy mandroso tsy maniasia
Koa matokia, fa ny làlana
Nodiavint-Santa no alehantsika
Ry miaramila, ets


4.Fa miray isika, tsy misaraka,
Ka iray ny Tena ikambanana,
Eny, iray tokoa ny finoana,
Sy iray ny fehim-pihavanana,
Ry miaramila ets


5.Lapa, fanjakana dia ho tapitra,
Ny Eklesia kosa no haharitra,
Ka tsy horesen'ny herin’ aizina,
Fa ny tenin’i Jesoa iainkinana
Ry miaramila ets


6.Koa mandrosoa, ka manaova izao
Hira fandresena, Kristiana ô,
Manomeza laza, hery, haja koa
‘Lay derain’ anjely sy ny olona
Ry miaramila, ets


Amena

 
Numéro de page - 161