HENOY, henoy! Ry namako rehetra
‘Lay fihiran’anjely namanao
Mamy tokoa ny teny izay hirainay
Ny amin’ny fiainana vaovao
He! Ry anjely sambatra ô
Iraky i Jesoa, hirao ny hiranao
2.Henoy indray! Fa mbola re ny antso:
“Avia re izay mba sasatra
Raiso izao ny fiadanan’i Jesoa,
Raiso izao ny fitsaharana”
He! Ry anjely, ets
3.Manerana ny lanitra aman-tany
Ny teninao, Mpiandry tsara ô
Raiso indray ny ondrinao mania,
‘Zay voataonan’ny fitiavanao
He! Ry anjely sambatra ô
Iraky i Jesoa hirao ny hiranao
4.He! reraka ny olonao, ry Tompo;
Ka ta-hahazo fiadanana
Eny, miandry ny fipoak’andro
‘Zay hahitany hasambarana,
He: ry anjely, ets
5.Anjely ô, ataovy re ny hira,
‘Zay nohiraina ary an-danitra,
Mandram-pihavin’ny maraina tsara,
‘Zay handravana ny aizin’alina
He, ry anjely, ets
Amena