IZAY ho ao an-danitra
Toa hita rano be,
Kanefa tsy ho safotra
Fa manana Aro re;
Ho paohin’onja mafy ao;
Fa tsy ho lasany;
Hasian’ny rivo-doza ao,
Fa tsy ho resiny
2.Mandia rano izahay
Ka he! Mihilana;
Mamaky onja izahay
Ka he! mievotra;
Fa Jesoa aro aminay,
Ka he miambina,
Ny famonjeny no anay
Ka he! Finaritra
3.Mpiaro tsara no anay
Ka tsy ho rendrika
Ny Kapiteninay mahay
Ka tsy miherika;
Ho tafatody ny anay
Na be ny rivotra
Fa ao ilay Maherinay
Hanala tahotra
Amena