NY masoandro lehibe,
Ny volana aman-kintana
Nataonao hampiravaka
Ny andro aman-alina;
Ny lanitra ao amboninay
Ny tany izay hitsahinay,
Ny rano ‘zay sotroinay,
Dia asanao, Jehovah Ray
2.Ny voninkazo manitra
Ny voankazo mamy koa,
Ny bozaka aman-ahitra,
Ny ala mikirindo koa,
Ny biby voajerinay
Ny vorona ‘zay tsinjovinay,
Ny hazandrano fantatray,
Dia asanao, Jehovah Ray
3.Ka noho ny soa azonay,
Mpanjakan’ny Mpanjaka ô,
Misokatra ny tànanay
Hitondra saotra ho Anao;
Miomana tokoa ny fo,
Ka araka ny sitrapo
No hanateran-dera izao,
Ry Ray Tsitoha, raisonao
Amena