TSARA e, ny lapanao
Takona ao an-danitra;
Tsara e ny toeranao
Ao am-pon’ny olonao;
Anao ny fanahiko,
Sady ta-hahita re,
Kristy ô, ny tarehinao
Sy ny Santa marobe
2.Faly e, ny vorona
‘Zay mihira ankilanao;
Faly e, ny olona
Monina ao an-tranonao
Aiza no ho hitanay
Trano fiarovana
Raha tsy an-danitra
Amin’ny Andriamanitra
3.Sambatra ny olonao
‘Zay midera Anao aty
Ampovoan-doza be
Handovany ,ny ary;
Izy no velominao
Izy no tarihinao
Mandra-pahatongavany
Ao an-tongotrao, Ray ô
4.Aoka mba harovanao
Izahay mpanomponao
Aoka mba hapetrakao
Izahay anilanao,
Masoandronay tokoa,
Sy ampinga mafy koa,
Manehoa, Tompo ô
Aminay ny herinao
Amena