ASANAY ny vavaka,
Fangatahanay ny soa;
Izahay tsy ketraka,
Fa mba hahatozo koa;
Ny irina betsaka
Dia aseho avokoa
2.Asanay ny vavaka,
Fa fisaoranay Anao
Noho ny soa betsaka
Azonay tan-tànanao,
ka hatao tanteraka
ny fisaoranay Anao
3.Asanay ny vavaka,
Mofon’aina ho anay,
Rano mahavelona
Raha reraka izahay:
Izahay tsy sasatra
Mankato ny didinao
Amena