Jereo ny fahavanlonay


Retour

JEREO ny fahavalonay

Izay miady aminay,

Fa maro ka tsy tohanay

Fandrao ho resy izahay

 

2.Fa tonga Jesoa herinay

Ilay Mpandresy lehibe,

Ka niandany taminay,

Dia naharesy izahay

 

3.Jere ny fahorianay,

Ny vokatry ny helokay,

Izay manjo anay aty

Ka dia ory izahay

 

4.Fa he! Ny fifalianay,

Izay mihatra aminay

Nomen’i Jesoa Tomponay

Ka dia faly izahay

 

5.He! tonga Jesoa aronay,

Nitondra soa ho anay

Sy nampanaritra anay

Ka dia sitrana izahay

 

6.He! tonga Jesoa avotray

Manolotra aina ho anay

Ho famelomana anay,

Ka dia velona izahay

 

Amena

 
Numéro de page - 152