FIZARANA I
RY, Salema volamena,
Ry tanàna feno soa
Voaorina ao ambony
Rafi-bato velona
Voahodidin’ny anjely
Voahaingo fatratra!
2.Indro voaomana izy
Toy ny ampakarina
Ka mivoaka ao hitsena
Ny mpanjaka Tompony
He! Madio manganohano
Lalam-be sy mandany
3.Perla soa sy vavahady
Ka mamirapiratra,
Sy mivoha lalandava
Andro aman-alina:
‘Zay nenjehina tan-tany
Miditra any aminy
4.Voapaika sy voadidy
‘Reo vato velona
Ka nalain’ny Tompon-trano
Tompo-marika mahay,
Handravahana ny Lapa
‘Zay honenan’izy ireo
FIZARANA II
5.Kristy ihany no Fehizoro
Sady Fanorenana
Voahositr’i Jehovah
Hampiray ny manda roa
Izy ihany no Mpiaro
Izy no Ampingany
6.He! henoy ny fihirana
Entin’ny anjely ao
Hiderany ny Tanàna
Tian’Andriamanitra;
Izy Iray kanefa Telo
No derain’ny mponina ao
7.Ry Mpanjaka ô, avia
Ato aminay izao:
Noho ,ny fonao be fitia
Raiso ny mpanomponao:
Aoka re ny famonjenao
Honina ato aminay
8.Aoka ho azonay rehetra
Zavatra angatahinay;
Aoka hiombona anjara
Amin-tSanta izahay,
Hiarahanay manjaka
Aminao mandrakiray,
FARAN’NY FIZARANA ROA
9.Dera, saotra, laza koa,
Ho an’Andriamanitra!
He! Ny Santa sy anjely
No indray miredona,
Mankalaza sy midera
Trinite Isaorana!
Amena