NY lohan’ny Eklesia
Dia Jesoa Tompony
Ny Rano aman-teny
No iorenany;
Nitady azy Izy
Ho ampakariny,
Nalatsany ny Rany
Ho avo-tsoany
2.Na be ny firenena
‘Zay ihaviany,
Iray ny famonjena
Izay inoanay,
Iray ny antenaina,
rehefa mby ary,
Iray ny mofon’aina
Izay fihinany
3.Na dia mba hita aza
Ny fisarahana ao
Na dia tsy manan-daza,
Fa ory sady lao;
Miambina ny Santa
Ka mitaraina hoe:
“Aza ela ry Mpamonjy,
Avia ka mamonje”
4.Tsy ela dia ho hita
Ilay Mpitondra soa;
Tsy ela dia ho vita
Ny ady loza koa;
Ny rafy horeseny,
Ny jaly tapitra,
Ka izy ho tonga eny
Am-pitsaharana
5.Iraisany anefa
Ny Telo ‘Zay Iray,
Sy Santa izay nahefa
Ny ady lasa izay
Ry Tompo hasoavy
Ny fonay olonao,
Ka amin’ny ho avy
Mba raiso ho Anao
Amena