HE! Vita, eny vita
Ny ady mafy teo:
mivoha re ny lanitra
hidiran’izy ireo;
Mpiady sy mpandresy
Mitafy laza izao
Ireo alinalina
Izay miakatra ao
2 Akory re ny feo
Miredona ery!
Ny Haleloia fiderana
Tsy tapitra aty;
Fa tonga re ny andro,
‘Lay andro lehibe
Ny ranomaso afaka,
Ny saona tsy mba re
3.Ny nody mandry ela
Mihaona aminay:
Tsy hisy hampisaraka
‘Zay tafahaona indray;
Mifaly ny kamboty
Fa tsy kamboty izao
‘Zay maty havana taty
Tsy maty havana ao
4.Vitao ny famonjenao
Mpamonjy tsara ô!
Ny isan’ny voafidinao
Tapero haingana!
Avia, misehoa ,
Te-hody izahay,
Ilay irin’ny firenena
Izay Mpanjakanay
Amena