MIVOHA re ny lanitra
Hidiranao, ry ory ô!
Ka miezaha fatratra
Sao very hianao izao
2.Avia mba handona izao
Fa ao Ilay Mpihaino soa
Hihaino zay fandonanao;
Fa Izy dia hamoha koa
3.Avia re hatoninao
Ila Mpanjaka mora fo
Sy be fitia honenanao
Handraisanao ny indra-fo
4.Ao aminy no feno soa
Ho fialanao sasatra
Ka mankanesa ao tokoa
Honenanao an-danitra
Amena