AOKA ho an’Andriamanitra
Ny fanendrena ny làlanao,
Fa hovimbininy hianao
Amin’ny lalan-tsarotra;
fa toky tsy mamitaka
Ny tenin’Andriamanitra
2.Fa inona no azonao
Amin’ny fiahiana?
Tsy afaka ory hianao
Noho ny fisentoana;
Na be herehina hianao,
Ho be ny alahelonao
3.Lefero kely, maneke
‘Zay sitrak’Andriamanitra;
Ny zavatra tinendriny
Tsy maintsy mahasoa anao;
Isika no finidiny
Ka ty ho foiny indray
4.Fa fantatr’Andriamanitra
‘Zay andro hifaliana;
Isika no hodioviny
Amin’ny fahoriana;
Tsy maintsy hofantenana
Vao afa-pahoriana
5.Koa aza atao fa hianao
Afoin’Andriamanitra,
Fa Izy dia mananatra
Ny zaza izay tiany:
Ka dia mba manomana azy
Handova ao an-danitra
6.Misaora ny anarany,
Ka aza ketraka hianao,
Fa ho tanteraka aminao
Ny soa lazain’ny teniny;
Fa toky tsy mamitaka
Ny tenin’Andriamanitra
Amena