An-danitra ny ray


Retour

AN-DANITRA ny Ray,

ka takona ety;

Mba ento aho, Kristy ô

Ho any aminy

 

2.Ny foko sasatra

Te-hody ao izao

Fa feno fitiavana

Anao, ry Ziona ô!

 

3.Fa làlan-tsarotra

Izorako aty

Ka hodidinin-doza be,

Vao tratra ny ary

 

4.Ry Tompo be fitia!

Iriko Hianao

Mpiandry tsara ô! Avia

Tahio ny ondrinao

 

Amena

 
Numéro de page - 137