VOAVONO Kristy, Paksa ho antsika; ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana.
Tsy amin’ny masirasira ela, na amin’ny masirasira lolompo sy faharatsiana; fa amin’ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana 1Kor v.7
Rehefa nitsangana tamin’ny maty Kristy, dia tsy maty intsony Izy: tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana.
Fa amin’ny nahafatesany dia maty amin’ny ota indray mandeha Izy: fa ny amin’ny ahavelomany kosa, dia velona ho an’Andriamanitra Izy
Aoka ho tahaka izany koa hianareo ka ny tenananreo dia ataovy ho efa maty ny amin’ny ota: fa velona ho an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa Rom vi.9
Efa natsangana tamin’ny maty tokoa Kristy ho santatrizay efa nodi-mandry
Ary satria ny olona iray no nisehoan’ny fahafatesana: dia ny Olona iray kosa no nisehoan’ny fitsanganan’ny maty
Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama: no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy 1Kor xv.20
Ho an’ny Ray sy ny Zanaka: ary ny Fanahy Masina anie ny voninahitra
Tahaka ny hatramin’ny taloha sy ankehitriny ary mandrakariva ho mandrakiza doria Amena.
Ny Koleta
ANDRIAMANITRA Tsitoha ô, Jesoa Kristy Zanakao-lahy Tokana, no efa nandresenao ny fahafatesana sy namoahanao ny vavahadin’ny fiainana mandrakizay hidiranay: Mifona aminao amim-panetrentena izahay, aoka ny fahasoavanao mahatonga ny fonay haniry sy hikasa hanao ny tsara hanampy anay lalandava hahatanteraka izany amin’ny atao; amin’ny alaln’i Jesoa Kristy Tomponay. Izay miara-mibelona sy miara-manjaka aminao sy ny Fanahy Masina, mandrakizay mandrakizay Amena.